Aller au contenu

Fiteny arabo nabateana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny arabo nabateana na fiteny nabateô-arabo dia fiteny arabo nampiasana tarehin-tsoratra talohan' ny abidy arabo. Nivoatra avy amin' ny fiteny arameana nabateana izy io, ary nampiasaina voalohany tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-3 taor J.K., taorian' io vanim-potoana io ilay tarehin-tsoratra no niditra amin' ny dingana vaovao antsoina hoe tarehin-tsoratra paleô-arabo. Tamin' ny taonjato voalohany taor JK dia nanao ny sora-tsokiny ny Nabateana, anisan' izany ny lahatsoratra momba ny lalàna nosokirina teo amin' ny tampon' ny fasana lehibe tao Mada’in Salih, izay natsoina hoe Ḥegrā taloha, tamin' ny teny arameana nabateana. Azo inoana anefa fa niteny arabo ny sasany na izy rehetra, na mety ho samy hafa arakaraka ny faritra nisy ny Fanjakana Nabateana.