Tany efitra
Ny tany efitra na efitra na tanimaty dia toerana eto amin' izao tontolo izao izay kely rotsak' orana isan-taona, latsaky ny 250 mm eo ho eo, ary tsy ampy hitahiry eton-drano noho ny mari-pana sy ny fitsokan' ny tsio-drivotra. Mandrakotra 50 tapitrisa km2 ny tany efitra, izany hoe eo amin' ny ampahatelon' ny velaran' ny tany maina manerana izao tontolo izao. Misy amin' ny fehintany rehetra ny tany efitra. Manampy trotraka ny tsy fahampian' ny rotsak' orana koa ny tsy fahatongavan' ny orana ara-potoana isan-taona. Indraindray volana na taona maromaro no manelanelana ny orana roa. Mety hitranga tampoka ny oram-batravatra, mirotsaka mandritra ny minitra na ora vitsivitsy ny rano amin' izany, ka mety mahatondraka ny renirano an-tany efitra. Noho ny fangaraharan' ny rivotra, vokatry ny hamandoana ambany (15 % ka hatramin' ny 50 %), dia lasa mafana be ny tany efitra mandritra ny antoandro fa mangatsiaka kosa amin' ny alina. Mihoatra ny 35 °C na 40 °C ny elanela-mari-pana amin' ny antoandro ary mety hahatratra 60 °C izany isan-taona. Ny elanela-mari-pana isam-pizaràn-taona dia ahafahana manavaka ny tany efitra mafana (izay misy fahavaratra mafana be sy ririnina antonony) sy ny tany efitra mangatsiaka (izay misy fahavaratra mafana sy ririnina mety mamirifiry) tsy lazaina intsony ny tany lemaka any amin' ny faritry ny tendrontany, izay misy ny mari-pana ambany dia ambany mandritra ny taona manontolo. Ny hamaina sy ny tsy fitovian' ny hafanana ary ny tsio-drivotra mampitombo ny haintany dia mahatonga ny tany efitra ho sarotra amin' ny fipoiran' ny zavamananaina na ny fivoarany. Na dia eo aza ny fihazaran' ny zavamaniry sasany, ny faritra rakotry ny zavamaniry dia tsy mitohy fa mitapatapka, matetika tsy hita afa-tsy amin' ny toerana kely, na tsy misy tanteraka. Noho izany, amin' ny faritra midadasika dia mihanjahanja ny vato.
Tanimaty vovoka sy vato
[hanova | hanova ny fango]Ao amin'ny tanimaty misy vovoka sy vato dia azo lazaina :
- Ny tanimatin'i Sahara, any Afrika avaratra,
- Ny tanimatin'i Sahel, ao atsimon'ny tanimatin'i Sahara
- Ny tanimatin'i Gobi, any Azia atsinanana, any Mongolia sy any avaratry ny Sina
- Ny tanimatin'i Mojave, any Kalifornia, any Etazonia
- Ny tanimatin'i Namib, any Namibia any atsimon' Afrika
- Ny tanimatin'i Kalahari, ao Botswana any atsimon' Afrika.
- Ny tanimatin'i Taklamakan
- Ny tanimatin'i Atacama
- Ny Lohasahan'ny Faty (Death Valley)
Ny tanimaty dia toerana mety tsy misy biby na olona. Tsy voatery ho mafana akory izy ; ny Antarktika izao ohatra dia tanimaty mangatsiaka. Ny tanumaty koa dia toerana misy zavamaniry tsy avo, miparitadritaka, toy ny tanimatin'i Thar sy ny tanimatin'i Karakum.
Tondro
[hanova | hanova ny fango]Ny hamaina dia ny havitsy ny rano mikasika faritany iray. Izy io dia tsy miankina amin'ny hafanana : misy noho izany toerana maina sy mangatsiaka (any amin'ny tendrontany ohatra). Refesina ny ambaratongan'ny hamaina ny faritany iray arakaraky ny famantarana ny hamaina mandrefy ny elanelana amin'ny EVP na évapotranspiration potentielle sy ny latsakorana.
Amin'ny ankapobeny, ny tanimaty dia voatondro :
- Amin'ny latsakorana vitsy sady tsy manara-pizaram-potoana : mety tsy avy ny orana mandritry ny taona maro.
- Amin'ny ranonando amin'ny maraina dia matetika loharano tokana azo ampiasain'ny zava-miaina eo an-toerana.
- Amina fietona ngeza nohon'ny latsakorana
- Amin'ny elanelan-kafanana ngeza be ao anelanelan'ny maraina sy ny alina
- Amin'ny rivotra tsy mitsahatra ary mafy (na dia amin'ny alina aza)
- Amin'ny tany manify sy mahantra
- Amin'ny zavamaniry vitsy, iva ary kely lazaina hoe gzerofita misy zavamaniry matavy.
- Amin'ny zavamisy vitsy, kely hakitroka, ahitana bibikely, hala, biby mandady, ary vorona mihaza amin'ny alina.
- Amin'ny hakitrory ny mponina ambany
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]