Aller au contenu

Tendrombohitry ny Tempoly

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tendrombohitra Tempoly)
Tazana avy any an-danitra ny Tendrombohitry ny Tempoly

Ny Tendrombohitra Tempoly dia havoana ao amin' ny Tanàna Tranain' i Jerosalema izay nohajaina nandritra ny an' arivony taona ho toerana masina teo amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe הַר הַבַּיִת / Har haBayīt ("Tendrombohitr' ny Trano"), fa amin' ny teny arabo kosa dia الحرم الشريف / al-Ḥaram al-Šarīf ("Fitoerana Masina Mendri-kaja") na الحرم القدسي الشريف / al-Ḥaram al-Qudsī al-Šarīf ("Fitoerana Masina Mendri-kaja ao Jerosalema") na المسجد الأقصى / al-Masjid al-Aqṣā ("ny Môskea lavitra indrindra") fotsiny.

Io no toerana nisy Tempolin' i Jerosalema, izay noravan' i Nebokadnezara II tamin' ny 586 tal. J.K. sy noravan' ny emperora Titosy tamin' ny taona 70 taor. J.K., ary toerana masina indrindra eo amin' ny jodaisma. Ny ilany andrefana amin' ny manda lehibe, izay naorin' i Herôda ho rindrina fihazonana ilay toerana, no hany sisa tavela tamin' ny Tempolin' i Jerosalema sy ny Manda Andrefana (Kotel) na Rindrinr' ny Fitomaniana, fa ny ilany atsinanana kosa dia anisan' ny manda fiarovan' i Jerosalema.