Fiteny armeniana
Ny fiteny armeniana dia fiteny indo-eoropeana tsy mikambana amin-tsampana fa fiteny manirery. Ankehitriny dia misy ny fiteny armeniana atsinanana izay fiteny ofisialin'ny Repoblikan'i Armenia izay tenenin'ny mponina ao Armenia sy vahoaka armeniana any Iràna sy any Rosia, ary ao koa ny fiteny armeniana andrefana izay tenenin'ny Armeniana am-pielezana. Miisa 2 960 000 ny mpiteny armeniana ao Armenia tamin'ny taona 2013, fa mahatratra 3 843 000 izany maneran-tany.
Misy fifanahafany amin'ny fiteny grika taloha ny fiteny armeniana. Manakaiky ny fiteny jermanika kosa izy raha ny fiovan'ny fivoaran'ny feon-teniny sy ny rafi-peony no heverina. Manana ny abidiny manokana, izay noforonina tamin'ny taonjato faha-5, ny fiteny armeniana. Amin'ny fiteny armeniana dia atao hoe հայերեն / hayeren io fiteny io.