Aller au contenu

Fahantrana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fahantrana dia toe-javatra misy ny olona tsy manana ampy amin' izay ilaina mba hahafahany miaina am-pahamendrehana ao amin' ny fiarahamonina misy azy, izany hoe fiainana ao anatin' ny toe-javatra maha ambany ara-materialy ny tena raha oharina amin' ny olona tena nambinina indrindra; miteraka fahasahiranana amin' ny famenoana ny filan' ny tena sy ny an' ny mpiray ankohonana amin' ny tena izany, sady miteraka fanilikilihana avy amin' ireo izay manan-karena indrindra. Na izany aza dia tsy misy ny famaritana ny atao hoe fahantrana izay ekena sy iraisan' ny rehetra.

Heverina ho tena ilaina ny fanomezana fahafaham-po ny filana fototra mba hananan' ny olombelona fiainana mendrika; amin' izao fandrosoana ara-teknika sy fanatsarana ny toe-piainana any amin' ny firenena mandroso izao anefa dia nipoitra ny famaritana mifototra amin' ny tokonam-pahantrana izay mifandraika amin' ny salam-pidiram-bola izay tsy misy ifandraisany amin' ny fanomezana fahafaham-po ireo filana ireo. Raha lazaina amin' ny teny hafa dia ny isan' ny olona rehetra manana fidiram-bola isan' olona ambany noho ny isan-jaton' ny fidiram-bola mpanivo ny isan' ny mahantra. Amin' ny ankapobeny dia 20 % io tokonana io. Manondro kokoa ny tsy fitoviana ara-toekarena sy ara-pôlitika eo amin' ny samy olona sy eo amin' ny samy fiarahamonina ny teny hoe "fahantrana", raha oharina amin' ny fananan-karena.

Manandrana manazava ny fisian' ny fahantrana sy ny fomba fitomboan' ny harena ny siansa ara-toekarena. Manana fisahiranana, izay an' ny olombelona eran-tany koa, ny fitondram-panjakana, manoloana ny fahantrana, ary miezaka ny hifehy izany, na amin' ny fiheverana ny fiainan' ny isam-batan' olona sy ny vondron' olona fotsiny aza, satria hita teny antsefatsefaky ny tantaran' izao tontolo izao ny fifanolanana eo amin' ny mahantra sy ny mpanan-karena, izay mety handrahona ny fahefana efa mipetraka. Antony lehibe mahatonga ny fijaliana ny fahantrana, ary ivon' ny fiheverana ara-môraly sy ara-pilôzôfia ary ara-pivavahana ny fitovian' ny samy olombelona. Misy karazany maro ny fahantrana.