Aller au contenu

Fiteny tibetana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tibetana na fiteny tibetana manara-penitra, izay matetika antsoina hoe fiteny tibetanan' i Lhassa no endrika manara-penitry ny fiteny tibetana afovoany, izay fiteny ampiasain' ny olona an-tapitrisany maro. Ity fiteny ity dia ao amin' ny fianakaviam-piteny tibetô-birmana.

Nanombatombana tao amin' ny UCLA Language Materials Project ny Oniversiten' i California ao Los Angeles (UCLA) fa ny fteny tibetana amin' ny ankapobeny dia manana mpiteny 3 ka hatramin' ny 8 tapitrisa arakaraka ny loharanom-baovao. Raha ny marina dia io no isan' ny mpampiasa ny fiteny tibetika, izay tsy voatery hifankahazo fiteny. Nampiasain' ny olona miisa 1,2 tapitrisa tamin' ny taona 1990 ny fteny tibetana afovoany, izay ahitana ny fiteny tibetanan' i Lhasa. Ireo fiteny ireo dia ampiasaina any amin' ny firenena sy faritany samihafa ao Sina manamorona ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet, toy ny faritra be mponina Tibetana ao Qinghai (Amdo), ao Gansu, ao Sichuan ary ao Yunnan (Kham) ary matetika kokoa any amin' ny faritra hafa ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina.

Ny fiteny tibetana manara-penitra dia ampiasaina any amin' ny faritra manodidina an' ilay firenena, ny faritra any Himalaya sy any Azia Afovoany, toa an' i Ladakh sy i Sikkim any India, i Baltistan pakistaney, i Botàna ary ny ilany avaratra amin' i Nepaly. Soratana indrindra amin' ny fampiasana ny alfasilabera tibetana ny fiteny tibetana manara-penitra ary avadika amin' ny abidy latina amin' ny fomba samihafa, ka ilay atao hoe Wylie, izay tranainy indrindra, THL, novolavolaina tany Etazonia, no matetika ampiasaina amin' ny anaran-tsamirery, fa ny zangwen pinyin (na pinyin tibetana), dia novolavolaina tany Sina, amin' ny fiheverana ny lantom-baninteny manokana ao amin' ny fiteny tibetana.