Aller au contenu

Friedrich Wilhelm Joseph Schelling

Avy amin'i Wikipedia
Friedrich Wilhelm Joseph von Schelling

I Friedrich Wilhelm Joseph Schelling na Friedrich Wilhelm Joseph von Schelling dia filôzôfa alemàna, mpiara-mianatra amin' ilay filôzôfa atao hoe Hegel sy ilay pôeta Hölderlin tao amin' ny Tübinger Stift. Teraka tamin' ny 27 Janoary 1775 tao Leonberg, akaikin' i Stuttgart, ao amin' ny Dokean' i Württemberg ary maty tamin' ny 20 Aogositra 1854 tao Bad Ragaz, any Soisa. Mpianatr' i Kant sy i Johann Gottlieb Fichte izy, niezaka ny hihoatra ny filôzôfia transandentaly izy tamin' ny famolavolana ny lamin-drafitra manokana nataony izay niala tamin' ny fandinihan' ny mpampianatra azy, nefa nanakaiky kokoa ny spinôzisma, ny Naturphilosophie na ny filôzôfian' ny natiora.

Ny fotoana nanaovany fandalinana ara-tsaina manontolo dia nisongadinan' ny ny fikatsahana lamin-drafitra mampihavana ny Natiora (Nature) sy ny Saina (Esprit), izay lafiny roa (ny amparahatoka sy ny fahatsiarovan-tena) ao amin' ny Tsy Refesina (frantsay: Absolu). Izany fikatsahana izany dia nitarika azy tamin' ny voalohany hanorina ny "filôzôfian' ny maha-izy azy", izay notsikerain' i Hegel namany taloha taty aoriana, ao amin' ny sasin-tenin' ny Phänomenologie des Geistes ("Fenômenôlôjian' ny Saina", 1807).

I Schelling dia nandao ity tetikasan' ny "filôzôfian' ny maha-izy azy" ity mba hanokana ny tenany ho amin' ny fanoratana Freiheit und die damit zusammenhängenden Gegenstände ("Ny Fahafahana sy ny zavatra mifandraika aminy", 1809) sy ny Âges du Monde ("Vanim-potoanan' Izao Tontolo Izao", 1811-1815), izay nanazava ny fitriarana tamin' ny fototra nahazo ny Tsy Refesina (Absolu), izay niorenan' ny fisian' ny olombelona. Ity tetikasa ity, izay tsy vita ihany koa, dia nisy fiantraikany lalina taty aoriana amin' ny ôntôlôjian' i Heidegger, ary vao haingana, ny materialisman' i Žižek.

Avy eo dia nanaraka ny Spätphilosophie ("filôzôfia farany") nataon' i Schelling: ny lesona momba ny "filosofian' ny fedrà", avy eo ny "filôzôfian' ny Fanambarà", izay mamakafaka ny fifandraisan' ny Tst Refesina amin' ny fisehoana ara-pivavahana toy ny pôliteisma sy ny kristianisma. Ny tetikasan' i Schelling tamin' ny tapany farany amin' ny fiainany dia ny handinika ny "zava-misy momba ny fisiana", ny toetra mivaingan' ny fiainana ampifanoherina amin' ny dialektika nataon' i Hegel mpiara-miasa taminy taloha.

Nanatrika ny leson' ny Spätphilosophie ny ho lasa mpandinika lehibe, indrindra fa i Schopenhauer na ilay filôzôfa sy teôlôjiana Kierkegaard izay samy lasa diso fanantenana noho izany, ilay fiziôlôjista Johannes Müller sy ilay filôlôga Max Müller, ary ilay mpikatroka revôlisiônera sy mpanao rijan-kevitra momba ny anarkisma Mikhail Bakunin, izay naka aingam-panahy tamin' ny fironany materialista sy tamin' ny fahitany ny saina ho toy ny asa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]