Soratra miendri-pantsika
Ny soratra miendri-pantsika dia rafi-panoratana feno noforonina tao Mesôpôtamia Atsimo teo anelanelan' ny taona 3400 sy 3300 tal. J.K., izay niely taty aoriana tao Atsinanana Akaiky (na Azia Andefana) alohan' ny nanjavonany tsy nampiasaina intsony nandritra ireo taonjato voalohany tamin' ny andro kristiana. Tamin' ny fiantombohany dia miendrika sary io soratra io fa nivoatra miandalana nankany amin' ny endrika fantsika mizorozoro ahafantarana azy ankehitriny. Karazana bararata noranitina no nandavahana ny tanimanga fanoratana (na zavatra hafa azo anatanterahana izany soratra izany, toy ny vato, ny metaly sns.). Ny Someriana no heverina fa tokony ho namorona io fomba fanoratra io, mba hanoratany ny fiteniny: ny fiteny someriana.
Ny soratra miendri-pantsika dia soratra tranainy indrindra, tahaka ny sora-masina egiptiana, nefa tsy fantatra ny zava-nisy manodidina niteraka ny famoronana azy. Ahitana tarehin-tsoratra anjatony mayo ny soratra miendri-pantsika, ka ny tarehin-tsoratra iray dia mety manana sanda na heviny maro. Amin' ny ankapobeny dia eva manondro feon-teny tokana na vanin-teny tokana, raha ny marina kokoa, ireo tarehin-tsoratra ireo. Misy koa anefa karazana tarehin-tsoratra izay maneho zavatra na hevitra vao izay mety maneho feo. Misy koa ny karazana hafa izay manampy ireo efa misy ireo (toy ny evan-tarehimarika, ny evam-peo, ny eva enti-manoritra).
Rehefa avy niforona ka nampiasain' ny mponina tao Mesôpôtamia Atsimo ny soratra miendri-pantsika, dia nampifanarahin' ny mponina hafa tamin' ny fiteniny, ka ny voalohany amin' izany dia ny fiteny akadiana, izay notenenina tao Mesôpôtamia. Taty aoriana dia nampiasa io soratra io koa ny ireo fiten' ny vahoaka ao Atsinanana Akaiky taloha. Isan' ireo fiteny ireo ny fiteny elamita (tao Persia) sy fiteny hitita (tao Azia Minora), ny fiteny eblaita (tao Siria), ny fiteny lovita (tao Azia Minora), ny fiteny palaita (tao Azia Minora), ny fiteny orarteana (tao Armenia), ary fiteny horita (tao Mesôpôtamia Avaratra, tao Siria ary tao Azia Minora). Io soratra io no nanjaka tao amin' ireo faritra ireo nandritra ny taonarivo faha-2 tal. J.K.
Ny soratra miendri-pantsika dia matetika nasiam-panamboarana mba hifanaraka amin' ny rafi-panoratana manaja fitsipika hafa tsy mitovy amin' izay niantombohany: ny abidy nampiasaina tao Ampiposahana (ao Atsinanana Akaiky) tamin' ny antsasany faharoa amin' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. (ny fantatra indrindra dia ireo nampiasaina tao Ogarita any Siria, nanoratana ny fiteny ogaritika), sy rafi-baninteny tao Persia tamin' ny antsasany faharoa amin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. (nanoratana ny fiteny persiana taloha nandritra ny vanimpotoana akemenida tamin'ny 550 hatramin' ny 330 J.K).
Nihalefy miandalana ny fanjakazakan' ny soratra miendri-pantsika taorian' ireo fotoana ireo alohan' ny tsy nanpiasana azy intsony afa-tsy tao amin' ny faritra nipoirany any Mesôpôtamia Atsimo izay nahitana azy farany sy nanjavonany tamin' ireo fotoana niantombohan' ny vanimpotoana kristiana.
Nampiavaka ireo kolontsaina any Atsinanana Akaiky taloha ny soratra miendri-pantsika, dia ireo kolontsaina izay manam-pifandraisana amin' ny soratra sy ny literatiora niainga avy amin' io rafi-panoratana io. Tamin' ny Andro Vaovao dia hitan' ny mpikaroka indray ny soratra miendri-pantsika ka ny fahafantarana ny hevitra fonosin' ny kahatsoratra nosoratana aminy dia tanteraka tamin' ny taonjato faha-19, ary ny fanaovana dikan-teny ireo lahatsoratra ireo o niteraka ny taranja manokana ao amin' ny fandalinana ireo sivilizasiona tao Atsinanana Akaiky taloha, ka ny voalohany amin' izany dia ny asirôlôjia, ary nahazoa-mahafantatra ny zava-bitan' ireo sivilizasiona izay efa saika hadino ireo. Ny fandinihana ny karazan-dahatsoratra sy ny fandalinana ny fomba fanoratana dia nahafahana koa nampiharihary ny fisian' ny atao hoe "kolontsaina miendri-pantsika" iraisan' ireo vahoaka nampiasa io soratra io, izay nandray akony betsaka tamin' ny kolontsaina mesôpôtamiana.