Salamo faha-14
Apparence
Ny Salamo faha-14 na Salamo 14 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity. Ny Salamo faha-13 no eo alohany ary ny faha-15 no manaraka azy.
Dikan-teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Dikan-teny prôtestanta
[hanova | hanova ny fango]- Ho an' ny mpiventy hira. Nataon' iDavida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
- Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak' olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
- Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
- Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
- Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin' ny taranaka marina.
- Na dia foananareo aza ny fisainan' ny ory, Jehovah kosa no arony.
- Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin' iJehovah avy amin' ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Dikan-teny katôlika
[hanova | hanova ny fango]- Ny adala manao anakam-po hoe: Tsy misy Andriamanitra! Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
- Iaveh mitsinjo ny zanak' olombelona eny amin' ny lanitra ambony eny, mba hahita raha misy olon-kendry anankiray, olona iray mitady an'Andriamanitra.
- Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza, na dia iray monja aza.
- Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy? Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina tsy miantso an' ny Tompo izy ireo.
- Ho tera-kovitra tampoka azon' ny fivadiham-po izy, fa eo afovoan' ny taranaka marina Andriamanitra.
- Tadiavinareo hokorokoroina ny hevitra kasain' ny ory. Nefa Andriamanitra no arony.
- Endrey! Hivoaka avy any Siona anie ny famonjena an' Israely. Rahefa hampodin' ny Tompo ireo nentin-ko babo amin' ny vahoakany, dia ho falyJakoba ary ho ravo Israely!
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
- Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
- Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
- Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
- Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.
- Salamo apôkrifa: Salamo faha-151 - Salamo faha-152 hatramin' ny faha-155.